Fahamarinana
Laharana 30
- 2464 Ny didy fahavalo Raràn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-môraly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia …
- 2465 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra . Fahamarinana ny Teniny [68] . Fahamarinana ny Lalànany [69] . “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90) [70] . …
- 2466 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Ao amin’i Jesoa-Kristy no miseho manontolo ny fahamarinan’ Andriamanitra. Noho i Jesoa-Kristy “feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14), dia Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” (Jo 8,12), Izy no Fahamarinana [72] . Na …
- 2467 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Toetra voa-Janahary no mahatonga ny olombelona mandeha amin’ny fahamarinana. Adidiny ny manaja izany sy ny manaporofo izany : “Noho ny fahamendrehan’ny olombelona rehetra, amin’ny maha-olona azy ireo (…) dia teren’ny toetran’izy ireo …
- 2468 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Ny fahamarinana, amin’ny maha-fahitsian’ny asa amam-pihetsika sy ny tenin’olombelona azy, dia antsoina hoe firaiketana amin’ny marina , hitsin-toetra na hitsim-po. Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa …
- 2469 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana “Tsy ho afa-miaina miaraka ny olombelona, raha tsy misy ny fifampitokiana , izany hoe raha tsy mifampilaza ny marina izy ireo” [78] . Ny herim-panahy fahamarinana no mamerina ara-drariny amin’ny hafa izay …
- 2470 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Manaiky “hivelona amin’ny fahamarinana” ny mpianatr’i Kristy, izany hoe amin’ny fahatsoram-piainana mifanaraka amin’ny ohatra nomen’ny Tompo sy mitoetra ao anatin’ny fahamarinany. “Raha milaza fa manana fiombonana Aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, …
- 2471 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Teo anatrehan’i Pilaty, dia nilaza ampahibemaso i Kristy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina [80] . “Tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo” …
- 2472 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Ny adidin’ireo kristianina mandray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana no manosika azy ireo hiasa ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny adidy izay takìn’izany. Izany fijoroana ho vavolombelona izany no fampitana ny finoana amin’ny teny …
- 2473 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana ; izany dia ilazana ny fijoroana ho vavolombelona izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana. Ny olona atao martiry no maneho ny …
- 2474 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Amim-pitandremana fatratra tokoa no nanangonan’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’ireo izay nandeha hatramin’ny farany mba hanamarinana ny finoan’izy ireo. Ireny no asan’ny Martiry. Ireny no tahirin-tsoratry ny Fahamarinana voasoratra amin’ny ra : Tsy …
- 2475 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny mpianatr’i Kristy dia “nitafy ny olom-baovao izay noarìna araka an’ Andriamanitra amin’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamasinana izay avy amin’ny marina” (Efez 4,24). “Ario ny lainga” (Efez 4,25), dia …
- 2476 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Fiampangana lainga sy fianianan-tsy to . Rahefa naely ampahibemaso ny teny manohitra ny fahamarinana, dia mifono halehibeazana mangingina. Eo anatrehan’ny tribonaly, dia manjary fiampangana lainga izany [86] . Rahefa natao tamim-pianianana izany, …
- 2477 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny fanajana ny lazan ’ny olona dia mandrara ny fihetsika rehetra sy ny teny rehetra mahatonga fahavoazana tsy ara-drariny ho azy ireo [88] . Araka izany : - mahameloka ny olona ny …
- 2478 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Mba hisorohana ny fitsaratsarana foana, tsy misy porofo, aoka ny tsirairay hitandrina, araka izay azo atao, mba hitsikera amin’ny lafiny tsara, ny eritreritry namany sy ny teniny ary ny asany : Ny …
- 2479 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Manimba ny laza amam-boninahitry ny namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana. Ny voninahitra anefa no fanaporofoana eo amin’ny fiaraha-monina, ny fahamendrehan’ny olombelona, ary ny tsirairay dia manana zo voa-Janahary itandrovana ny voninahitry …
- 2480 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Raràna ny teny na ny fihetsika rehetra atao amin’ny alalan’ny fandokafana , fanindrahindrana na famalifaliana ny namana, mba hamporisihana sy hanamarinana ny faharatsian’ny asany sy ny havetavetam-pitondran-tenany. Fahadisoana lehibe ny fanindrahindrana raha …
- 2481 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny fireharehana na fieboeboana dia anisan’ny fahadisoana manohitra ny fahamarinana. Toraka izany koa ny fanesoana izay mikendry hanambany olona amin’ny fanaovana kisarisary mampihomehy na manebaka, amin’ny fomba feno hasomparana, ny endriky ny …
- 2488 IV. Ny fanajana ny marina Misy fepetra ny zo hampahafantatra ny marina . Tokony hampifanarahan’ ny tsirairay amin’ny fitsipiky ny fitiavana maha-mpiray tam-po araka ny Evanjely, ny fiainany. Takìn’io fitiavana maha-mpiray tam-po io, eo amin’ ny fisehoana …
- 2489 IV. Ny fanajana ny marina Ny fitiavana sy ny fanajana ny marina no tokony hibaiko ny valy amin’ny fangataham-baovao na fampitam-baovao rehetra . Ny soa sy ny filaminan-tsainan’ny hafa, ny fanajana ny fiainana manokana, ny soa iombonana, …
- 2490 IV. Ny fanajana ny marina Masina ny t siambaratelon’ny sakramentan’ny fampihavanana , ary tsy azo havoaka na inona inona lazaina ho antony. “Tsy azo ivadihana ny tsiambaratelo ara-tsakramenta ; noho izany, voarara tanteraka ny mpampikônfesy tsy hamoaka …
- 2491 IV. Ny fanajana ny marina Ny tsiambaratelon’asa – ohatra : izay tazonin’ny mpitondra fanjakana, tazonin’ny miaramila, ny mpitsabo, ny mpitsara – na ny filazan-javatra amin’ny olona, nefa zavatra notanana ho tsiambaratelo, dia tsy maintsy harovana, afa-tsy amin’ny …
- 2492 IV. Ny fanajana ny marina Adidin’ny tsirairay ny mitana ny tsiambaratelo marina momba ny fiainan’ ny olona manokana. Adidin’ny mpiandraikitra ny fampitam-baovao ny mandrindra sy mandanjalanja ara-drariny an’izany, eo amin’ny takìn’ny soa iombonana sy ny fanajana ny …
- 2504 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao ” (Eks 20,16). Ny mpianatr’i Kristy dia “ mitafy ny olom-baovao noarìna araka an’Andriamanitra ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny fahamasinana izay …
- 2505 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.
- 2506 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo ” (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.
- 2507 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.
- 2509 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.
- 2510 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.
- 2511 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “Tsy azo avoaka ny tsiambaratelo ara-tsakramenta” [103] . Tsy maintsy tanana ny tsiambaratelon’asa. Tsy azo aely eny imasom-bahoaka ny tsiambaratelo mety hanimba ny hafa.