I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

Laharana 2467 amin’ny Katesizy

Toetra voa-Janahary no mahatonga ny olombelona mandeha amin’ny fahamarinana. Adidiny ny manaja izany sy ny manaporofo izany : “Noho ny  fahamendrehan’ny olombelona rehetra, amin’ny maha-olona azy ireo (…) dia  teren’ny toetran’izy ireo voa-Janahary mihitsy sy voatery, noho ny adidy aman’andraikitra ara-môraly, hikatsaka ny marina izy ireo, ka ny voalohany indrindra dia ny an’izay mikasika ny fivavahana. Adidin’izy ireo koa ny miraiki-po amin’ny marina raha vao mahalala izany izy ireo sy manitsy ny fiainan’izy ireo manontolo araka izay takìn’ny fahamarinana”[77].

Loharano ôfisialy ↗