IV. Ny fanajana ny marina

Laharana 2488 amin’ny Katesizy

Misy fepetra ny zo hampahafantatra ny marina. Tokony hampifanarahan’ ny tsirairay amin’ny fitsipiky ny fitiavana maha-mpiray tam-po araka ny Evanjely, ny fiainany. Takìn’io fitiavana maha-mpiray tam-po io, eo amin’ ny fisehoana toe-javatra lehibe, ny mandanjalanja raha mety na tsia ny hanambaràna ny marina amin’ilay izay mangataka izany.

Loharano ôfisialy ↗