IV. Ny fanajana ny marina
Laharana 2490 amin’ny Katesizy
Masina ny tsiambaratelon’ny sakramentan’ny fampihavanana, ary tsy azo havoaka na inona inona lazaina ho antony. “Tsy azo ivadihana ny tsiambaratelo ara-tsakramenta ; noho izany, voarara tanteraka ny mpampikônfesy tsy hamoaka izay lazain’ny mpikônfesy na inona na inona izany, amin’ny alalan’ny teny na amin’ny fomba hafa, sy na inona na inona mety ho antony”[93].