III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana
Laharana 2476 amin’ny Katesizy
Fiampangana lainga sy fianianan-tsy to. Rahefa naely ampahibemaso ny teny manohitra ny fahamarinana, dia mifono halehibeazana mangingina. Eo anatrehan’ny tribonaly, dia manjary fiampangana lainga izany[86]. Rahefa natao tamim-pianianana izany, dia manjary fianianan-tsy to. Ireny fomba fiasa amam-pihetsika ireny dia mandray anjara, na hanameloka ny tsy manan-tsiny, na hanala tsiny ny meloka, na hampitombo ny sazy famaizana an’ilay voampanga[87]. Mety hanala baraka tokoa ireny fomba amam-pihetsika ireny, amin’ny fampiasana ny marina, sy ny rariny mbamin’ny hitsin’ny didim-pitsaràna avoakan’ny mpitsara.