I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

Laharana 2466 amin’ny Katesizy

Ao amin’i Jesoa-Kristy no miseho manontolo ny fahamarinan’ Andriamanitra. Noho i Jesoa-Kristy “feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14), dia Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” (Jo 8,12), Izy no Fahamarinana[72]. Na iza na iza mino Azy, tsy mitoetra ao anatin’ny maizina[73]. Ny mpianatr’i Jesoa dia mitoetra ao amin’ny teniny mba hahalala ny marina izay mahatonga ho afaka[74] sy manamasina[75]. Ny manaraka an’i Jesoa, dia ny miaina  ny “Fanahin’ny fahamarinana” (Jo 14,17) izay irahin’ ny Ray amin’ny anarany[76] sy izay mitari-dalana “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13). Tamin’ny mpianany i Jesoa no nampianatra ny fitiavana mankato tanteraka ny marina  : “Aoka ny teninareo : "Eny ? eny" , "Tsia ? tsia"” (Mt 5,37).

Loharano ôfisialy ↗