I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

Laharana 2465 amin’ny Katesizy

Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra. Fahamarinana ny Teniny[68]. Fahamarinana ny Lalànany[69]. “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90)[70]. Satria Andriamanitra no Ilay “Marina” (Rôm 3,4), ny mpikambana ao amin’ny vahoakany dia voantso hiaina koa ao anatin’ny fahamarinana[71].

Loharano ôfisialy ↗