← Lohahevitra rehetra

Fivalozana sy fampihavanana

Laharana 67

  1. 1452 Ny fanenenana Raha avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tiana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fanenenana, dia antsoina hoe “lavorary” izy (fanenenana avy amin’ny fitiavana). Ny fanenenana toy izany dia mahafaka ny fahotana madinika ; …
  2. 1453 Ny fanenenana Ny fanenenana lazaina hoe “tsy lavorary” (na “fanenenana tsara antoniny”), dia fanomezan’Andriamanitra koa, tosi-kerim-pamporisikin’ ny Fanahy Masina. Mipoitra avy amin’ny fiheverana ny haratsian’ny fahotana izy io, na avy amin’ny fahatahorana ny ho …
  3. 1454 Ny fanenenana Tsara ny manomana ny fandraisana an’ity sakramenta ity amin’ny fandinihana ny kônsiansy atao eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra sahaza indrindra amin’izany dia tadiavina ao amin’ny Didy folo sy ao amin’ny katesezy …
  4. 1455 Fikônfesena ny fahotana Ny fikônfesena ny fahotana (fiekena), na amin’ny fomba fijery maha-olona tsotra fotsiny izao aza, dia manafaka antsika sy manamora ny fihavanantsika amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiekena no ijeren’ny olona eo anoloany ny …
  5. 1456 Fikônfesena ny fahotana Ny fikônfesena ny fahotana amin’ny Pretra dia anisan’ny ampahany tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Fivalozana : “Ny mpivalo, amin’ny alalan’ny kônfesy, dia tsy maintsy mitanisa ny fahotana mahafaty rehetra izay tsaroany rahefa …
  6. 1457 Fikônfesena ny fahotana Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona” [50] . Ilay izay mahatsiaro tena …
  7. 1458 Fikônfesena ny fahotana Na tsy hentitra aza ny ilana ny fikônfesena ny hadisoana isan’andro (fahotana madinika), dia hafatrafaran’ny Fiangonana tokoa ny hanaovana izany [54] . Satria, ny mikônfesy matetika ny fahotana madinika no manampy antsika …
  8. 1459 Ny fanonerana Maro ny fahotana mitera-pahavoazana ho an’ny namana. Tsy maintsy manao izay azao atao mba hanonerana izany (ohatra : mamerina ny zavatra nangalarina, manarina ny lazan’izay nendrikendrehina, mitsabo ny ratra). Mitaky izany ny …
  9. 1460 Ny fanonerana Ny fivalozana izay andidian’ny mpampikônfesy dia tokony hoheverina amin’ny toerana manokana misy ny mpivalo ary tokony hikendry ny soa ho an’ny fanahiny. Tokony hifanentana araka izay azo atao amin’ny halehibe sy amin’ny …
  10. 1461 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana [63] , noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraiki-panompoana io. Araka izany, …
  11. 1462 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Mampihavana amin’Andriamanitra ny famelana ny fahotana, nefa koa mampihavana amin’ny Fiangonana. Noho izany, rariny ny fiheverana hatramin’ny ela, ny Eveka, filoha hita maso eo amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ho manana voalohany indrindra …
  12. 1463 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Misy ny fahotana sasany, indrindra ny heloka bevava, ampiharana ny sazy fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana, ilay famaizany amin’ny fomba henjana tokoa, izay misakana ny fandraisana sakramenta sy ny fanaovana asa …
  13. 1464 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Tokony hamporisika ny mpino ny Pretra handray ny sakramentan’ny Fivalozana ary tokony hampiseho fahavononana hankalaza io sakramenta io izy ireo isaky ny mangataka izany amin’ny fomba ara-drariny ny kristianina [69] .
  14. 1465 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray miandry ny …
  15. 1466 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Tsy tompony ny mpampikônfesy fa mpanompo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Mila miray saina sy miray fo amin’i Kristy ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity [70] . Mila manana fahalalana voasedra momba ny …
  16. 1467 VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity Amin’ny mahasaro-pady sy mahalehibe ity andraiki-panompoana ity sy ho fanajana atao amin’ny olona, dia ambaran’ny Fiangonana fa ny Pretra rehetra izay mampikônfesy dia voadidy tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana …
  17. 1468 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity “Ny vokatra rehetra amin’ny Fivalozana dia mifototra amin’ny fanarenana antsika ho ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny fampiraisana antsika Aminy ao anatin’ny fihavanana tsara tokoa” [72] . Ny fampihavanana amin’Andriamanitra izany, no tarigetra …
  18. 1469 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity Mampihavana antsika amin’ny Fiangonana ity sakramenta ity. Ny fahotana no manambanga na manapaka ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ny sakramentan’ny Fivalozana no manonitra izany na manarina izany. Amin’io lafiny io, tsy manasitrana …
  19. 1470 IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity Amin’ity sakramenta ity, ny fametrahan’ny mpanota ny tenany amin’ny fitsaràna be indrafon’Andriamanitra, dia manatanteraka mialoha , amin’ ny fomba azo antoka, ny fitsaràna izay hihatra aminy amin’ny faran’ity fiainana eto an-tany ity. …
  20. 1480 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Toy ny sakramenta rehetra, ny Fivalozana dia asa litorzika. Toy izao avy araka ny mahazatra ny singafototry ny fankalazana : fiarahabana sy tsodranon’ny Pretra, famakiana ny Tenin’Andriamanitra mba hanazava ny kônsiansy sy …
  21. 1481 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny litorzia bizantinina dia manana rijan-teny maro famotsoran-keloka, amin’ny endrika fitalahoana, izay mampiseho amin’ny fomba mampitolagaga ny misterin’ny famelana : “Enga anie Andriamanitra, izay tamin’ny alalan’i Natàna mpaminany, namela an’i Davida fony …
  22. 1482 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny sakramentan’ny Fivalozana dia azo atao koa ao anatin’ny sehatry ny fankalazana iombonana izay amin’izany no iarahana miomana amin’ny kônfesy sy iarahana misaotra noho ny famelana azo. Eto, ny fieken’ny olona tsirairay …
  23. 1483 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Amin’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena dia azo atao ny midodododo ho amin’ny fankalazana iombonana amin’ny fampihavanana miaraka amin’ny kônfesy mitamba-be sy ny famotsorana mitamba-be . Mety hiseho ny mahalatsaka an-katerena raha misy loza …
  24. 1484 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana “Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana manontolo arahina famotsoran-keloka dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro izay amin’izany no ihavanan’ny mpino amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana, afa-tsy raha misy tsy fahazoa-manatanteraka ara-batana na ara-tsaina …
  25. 1485 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana “ Ny harivan’ny Paka, niseho tamin’ny apôstôliny i Jesoa Tompo, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : " Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo fahotana, dia ho voavela. Ireo izay ho tananareo …
  26. 1486 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny famelana ny fahotana natao taorian’ny Batemy dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana antsoina hoe : sakramentan’ny fibeba-hana, fibabohana, Fivalozana na Fampihavanana.
  27. 1487 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Izay manota dia manala baraka an’Andriamanitra sy ny fitiavany, manimba ny hasina maha-olona azy voantso ho zanak’ Andriamanitra sy ny fiadanam-panahin’ny Fiangonana izay ny kristianina tsirairay no tsy maintsy ho vato velona.
  28. 1488 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Amin’ny maso ara-pinoana, tsy misy zava-doza na iray aza mihoatra noho ny fahotana ary tsy misy voka-dratsy mahatsiravina noho izay aterany amin’ny tenan’izy mpanota ihany, amin’ny Fiangonana, ary amin’izao tontolo rehetra izao.
  29. 1489 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny miverina indray amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra taorian’ny nahaverezan’izany noho ny fahotana, dia fihetsika ateraky ny fahasoavan’ Andriamanitra feno indrafo sy miahy ny famonjena ny olombelona. Tokony hangatahina ho an’ny tena ihany tahaka …
  30. 1490 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny fandehanana miverina amin’Andriamanitra, antsoina hoe fibebahana sy fanenenana, dia mirakitra alahelo mafy sy rikoriko noho ny fahotana natao, ary fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy. Mahakasika ny lasa sy ny …