VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity
Laharana 1462 amin’ny Katesizy
Mampihavana amin’Andriamanitra ny famelana ny fahotana, nefa koa mampihavana amin’ny Fiangonana. Noho izany, rariny ny fiheverana hatramin’ny ela, ny Eveka, filoha hita maso eo amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ho manana voalohany indrindra ny fahefana sy ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana : izy no mpanalefaka ny fitsipi-pifehezana momba ny fivalozana[64]. Ny Pretra, mpiara-miasa aminy, dia mampiasa izany araka izay nandraisan’izy ireo ny adidy aman’andraikitra momba izany na avy amin’ny Evekany (na avy amin’ny lehibem-pikambanan-drelijiozy), na avy amin’ny Papa, amin’ny alalan’ny lalànan’ny Fiangonana[65].