IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity
Laharana 1470 amin’ny Katesizy
Amin’ity sakramenta ity, ny fametrahan’ny mpanota ny tenany amin’ny fitsaràna be indrafon’Andriamanitra, dia manatanteraka mialoha, amin’ ny fomba azo antoka, ny fitsaràna izay hihatra aminy amin’ny faran’ity fiainana eto an-tany ity. Satria ankehitriny, amin’izao fiainana eto izao, no anolorana antsika ny safidy eo amin’ny fiainana sy ny fahafatesana, ary tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny lalam-pibebahana no ahafahantsika miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay tsy hidiran’ny manam-pahotana lehibe[78]. Ny fiverenana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fivalozana sy ny finoana, no hiampitan’ny mpanota avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ary “tsy hohelohina amin’ny fitsaràna” izy (Jo 5,24).