← Lohahevitra rehetra

Fivalozana sy fampihavanana

Laharana 67

  1. 1491 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny sakramentan’ny Fivalozana dia miorina amin’ny asa telo ataon’ny mpivalo, sy amin’ny famelan-keloka omen’ny Pretra. Ny asa ataon’ny mpivalo dia : ny fanenenana, ny fikônfesena na filazana ny fahotana amin’ny Pretra ary …
  2. 1492 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny fanenenana (antsoina koa hoe alahelon’ny fo noho ny ratsy natao tamin’Andriamanitra) dia tsy maintsy ho avy amin’ny antony ara-pinoana. Raha noho ny fitiavana an’Andriamanitra no ahatsapana ilay fanenenana, dia atao hoe …
  3. 1493 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ilay izay maniry hahazo ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ ny Fiangonana, dia tsy maintsy mikônfesy amin’ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra izay tsy mbola nikônfeseny ka tsaroany amin’ny fandinihany amim-pitandremana ny kônsiasiny. …
  4. 1494 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Manome hevitra ny mpivalo ny mpampikônfesy amin’ny fanatanterahana ny sasantsasany amin’ny asa “ fanonerana ” na “ fivalozana ” mba hanonerana ny voka-dratsy nafitsoky ny fahotana sy mba hanarenana indray ny fanao …
  5. 1495 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny Pretra izay hany nahazo tamin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny fahefana hamotsotra heloka no afaka mamela ny fahotana amin’ny Anaran’i Kristy.
  6. 1496 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny vokatra ara-panahy azo avy amin’ny sakramentan’ny Fivalozana, dia : - ny fihavanana amin’Andriamanitra izay amin’ny alalan’izany no ahazoan’ny mpivalo indray ny fahasoavana ; - ny fihavanana amin’ny Fiangonana ; - ny …
  7. 1497 XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana Ny fikônfesen’ny tsirairay ny fahotana lehibe manontolo, arahin’ny famotsoran-keloka, dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.