VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity
Laharana 1461 amin’ny Katesizy
Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana[63], noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraiki-panompoana io. Araka izany, ny Eveka sy ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, no manana ny fahefana hamela ny fahotana rehetra “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”.