VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity

Laharana 1465 amin’ny Katesizy

Amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray  miandry ny Zanaka mpandany sy mandray azy amin’ny fiverenany, ny an’ilay mpitsara marina izay tsy mizaha tavan’olona, ka sady marina no feno indrafo ny fitsaràny. Raha fintinina, ny Pretra no famantarana sy fitaovan’ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra  ny mpanota.

Loharano ôfisialy ↗