VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity

Laharana 1463 amin’ny Katesizy

Misy ny fahotana sasany, indrindra ny heloka bevava, ampiharana ny sazy fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana, ilay famaizany amin’ny fomba henjana tokoa, izay misakana ny fandraisana sakramenta sy ny fanaovana asa sasantsasany ao amin’ny Fiangonana[66], ka ny famotsoran-keloka amin’izany, araka ny lalànan’ny Fiangonana, dia tsy azo omena afa-tsy avy amin’ny Papa, ny Eveka eo an-toerana na ny Pretra nahazo lalana avy amin’izy ireo[67]. Saingy raha ambavahoanan’ny fahafatesana kosa, ny Pretra rehetra, na dia tsy manana ny fahazoana mampikônfesy aza, dia afaka mamela ny fahotana rehetra[68] sy izay rehetra fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana.

Loharano ôfisialy ↗