Fanahy Masina
Laharana 65
- 683 Izaho mino ny Fanahy Masina “Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). “Nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny fontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe : Aba , Ray!” (Gal …
- 684 Izaho mino ny Fanahy Masina Ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny fahasoavany, no mampahatsiaro voalohany ny finoantsika sy ny fiainam-baovao izay mifantoka amin’ ny fahalalana ny Ray sy Ilay izay nirahiny, dia i Jesoa-Kristy [2] . Izy anefa …
- 685 Izaho mino ny Fanahy Masina Ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, “tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray …
- 686 Izaho mino ny Fanahy Masina Ny Fanahy Masina dia miara-niasa amin’ny Ray sy ny Zanaka hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fahatanterahan’ny fandaharam-pamonjena antsika. Kanefa tamin’ny “fotoana farany” nosantarina niaraka tamin’ny Fahatongavan’ny Zanaka Mpanavotra ho nofo, no voambara …
- 687 “Izaho mino ny Fanahy Masina” “Tsy misy mahalala ny momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra”(1 Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy no mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny, Teniny velona, fa tsy milaza ny Tenany Izy. …
- 688 “Izaho mino ny Fanahy Masina” Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina : - ao amin’ny Soratra Masina izay avy amin’ny fitsilovany ; - ao amin’ny Lovam-pampianarana, izay …
- 689 I. Ny iraka iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy Ilay izay nirahin’ny Ray ao am-pontsika, ny Fanahin’ny Zanany [7] , dia Andriamanitra marina tokoa. Noho Izy iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, dia tsy azo sarahina amin’izany Izy, na ao …
- 690 I. Ny iraka iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy I Jesoa no Kristy, “voahosotra”, satria ny Fanahy no nanosotra Azy, ary izay rehetra tonga nanomboka tamin’ny Fahatongavana ho nofo dia avy amin’io hafenoana io avokoa [8] . Rahefa nomem-boninahitra i Kristy …
- 691 Ny anaran-tsamirerin’ny Fanahy Masina “Fanahy Masina”, izany no anaran-tsamirerin’Ilay tsaohintsika sy omentsika voninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo io anarana io, ary ambarany ampahibemaso ao amin’ny Batemin’ ireo zanany vaovao …
- 692 Ny anaram-piantsoana ny Fanahy Masina I Jesoa, fony Izy nanambara sy nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, dia niantso Azy hoe “Parakleto”, ara-bakiteny dia hoe : “Ilay voantso ho eo akaiky”, ad-vocatus (Jo14,16.26 ; 15,26 ; 16,7). “Mpisolo …
- 693 Ny anaram-piantsoana ny Fanahy Masina Afa-tsy ny anaran-tsamireriny, izay ampiasaina be indrindra ao amin’ny Asan’ny apôstôly sy ireo Taratasy, dia hita ao amin’i Md Paoly ny anaram-piantsoana hoe : Fanahin’ny fampanantenana (Gal 3,14 ; Efez 1,13), Fanahim-pananganan-janaka …
- 694 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny rano . Fanehoana an’ohatra mampibaribary ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny Batemy ny rano, satria, aorian’ny fitalahoana ny Fanahy Masina, dia manjary famantarana ara-tsakramenta mandaitra amin’ny fahateraham-baovao ny rano : toy ny …
- 695 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny fanosora-menaka . Ny fanosora-menaka dia fanehoana an’ohatra mampibaribary koa ny Fanahy Masina, ka tonga hatramin’ny fitovian’ny hevitra raketiny Aminy mihitsy aza [18] . Amin’ny firosoana ho kristianina, izany no famantarana ara-tsakramentan’ny …
- 696 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny afo . Raha midika ho fahaterahana sy fahavokaran’ny Aina nomena tao amin’ny Fanahy Masina ny rano, ny afo kosa dia maneho an’ohatra ny hery manovan’ny asan’ny Fanahy Masina. I Elia mpaminany, …
- 697 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny rahona sy ny hazavana . Tsy azo sarahina ireo fanehoana an’ohatra roa ireo amin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina. Hatramin’ny fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ny Rahona, izay mbetika maizina, mbetika mazava, no …
- 698 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny fitomboka no fanehoana an’ohatra manakaiky ny an’ny fanosorana. Ary satria i Kristy no “nasian’Andriamanitra ny tombo-kaseny” (Jo 6,27) ka dia ao Aminy no anamarihan’ny Ray antsika koa amin’ny tombo-kaseny [39] . …
- 699 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny tanana . Amin’ny fametrahan-tanana no anasitranan’i Jesoa ny marary [40] sy itsofany rano ny ankizy madinika [41] . Amin’ny anarany, hanao toraka izany koa ny apôstôly [42] . Mbola tsaratsara kokoa, …
- 700 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny rantsantanana . “Amin’ny rantsantanan’Andriamanitra no androahan’ [ i Jesoa] ny demony” [45] . Raha voasoratra tamin’ny takela-bato nosoratan’ny “rantsantanan’ Andriamanitra” (Eks 31,18) ny Lalànan’Andriamanitra, “ny taratasin’i Kristy”, napetraka teo ambany fiahian’ny …
- 701 Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina Ny voromahailala . Tamin’ny fiafaran’ny safo-drano (izay fanehoana an’ohatra ny Batemy), dia niverina ny voromahailala nalefan’i Nôe, nitondra sampahon’ôliva maitso teny am-bavany, famantarana fa azo onenana indray ny tany [47] . Rahefa …
- 702 III. Ny Fanahy sy ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andron’ny fampanantenana Hatrany am-piandohana ka hatramin’ny “Hafenoan’ny Andro” (Gal 4,4), ny iraka iraisan’ny Teny sy ny Fanahin’ny Ray dia mijanona ho niafina , nefa miasa. Tamin’izany no nanomanan’ny Fanahin’Andriamanitra ny fotoanan’ ny Mesia, ary …
- 703 Tamin’ny fahariana Ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fofon’ainy no fiandohan’ny fisian-tena sy ny ain’ny voary manontolo [53] : “Sahaza ny Fanahy Masina ny manjaka, ny manamasina ary ny mamelon’aina ny voary, satria Andriamanitra iray fombam-pisia-maha-izy …
- 704 Tamin’ny fahariana “Fa ny amin’ny olombelona, dia tamin’ny tanan’Andriamanitra ihany [izany hoe ny Zanaka sy ny Fanahy Masina] no nanamboarany azy (…) ary ny endriny ihany no nosoritany teo amin’ilay nofo namboarin’ny tanany, ka …
- 705 Ny Fanahin’ny fampanantenana Ny olombelona, simban’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia mbola “mitovy endrika amin’Andriamanitra”, amin’ny endriky ny Zanaka, saingy tsy manana ny Voninahitr’Andriamanitra izy [56] , tsy manana ny “fifanahafana”. Ny fampanantenana natao tamin’i …
- 706 Ny Fanahin’ny fampanantenana Na tsy araka ny fanantenana maha-olombelona aza, dia nampanantena taranaka an’i Abrahama Andriamanitra, ho vokatry ny finoana sy ny herin’ ny Fanahy Masina [58] . Amin’io taranany io no hanasoavana ny firenena …
- 707 Tamin’ireo Teôfania sy Lalàna Ireo Teôfania (fisehoan’Andriamanitra) no manazava ny lalan’ny fampanantenana, tamin’ireo patriarka hatramin’i Môizy ary tamin’i Jôsôe hatramin’ireo fahitana izay nisantatra ny fanirahana an’ireo mpaminany lehibe. Mankato lalandava ny lovam-panahy kristianina, fa ao amin’ireny …
- 708 Tamin’ireo Teôfania sy Lalàna Miseho manokana amin’ny fanomezana ny Lalàna, izany fomba fanabeazan’Andriamanitra izany [65] . Nomena ho “mpitaiza sy mpanabe”, mba hitarika ny Vahoaka mankany amin’i Kristy, ny Lalàna [66] . Kanefa noho ny tsy …
- 709 Tamin’ny Fanjakana sy ny Sesitany Ny Lalàna, famantarana ny fampanantenana sy ny fanekem-pihavanana, no tokony hibaiko ny fo sy ny lalàna fototry ny Vahoaka teraka avy amin’ny finoan’i Abrahama. “Raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny …
- 710 Tamin’ny Fanjakana sy ny Sesitany Ny fanadinoana ny Lalàna sy ny fivadihana amin’ny fanekem-pihavanana dia miafara amin’ny fahafatesana : ny Sesitany izany, izay araka ny hita, dia tsy fahombiazan’ny fampanantenana, nefa ny tena marina, dia tsy fivadihana …
- 711 Ny fiandrasana ny Mesia sy ny Fanahiny “Fa indro Aho, hanao zava-baovao” (Iz 43,19) : andalan-tenim-pamina-niana anankiroa no ho voasoritra amin’izany, ka ny iray momba ny fiandrasana ny Mesia, ary ny iray momba ny filazana ny Fanahy vaovao ; …
- 712 Ny fiandrasana ny Mesia sy ny Fanahiny Ny toetran’ny endrik’ilay Mesia andrasana dia manomboka miseho ao amin’ny Bokin’i Emanoela [72] (“fony i Izaia nahazo fahitana ny Voninahitr’i” Kristy : Jo 12,41), indrindra ao amin’i Izaia 11,1-2 : Misy rantsana …