Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina

Laharana 698 amin’ny Katesizy

Ny fitomboka no fanehoana an’ohatra manakaiky ny an’ny fanosorana. Ary satria i Kristy no “nasian’Andriamanitra ny tombo-kaseny” (Jo 6,27) ka dia ao Aminy no anamarihan’ny Ray antsika koa amin’ny tombo-kaseny[39]. Satria ny sarin’ny fitomboka (sphragis) no anondroana ny vokatra tsy maty vonoina avy amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina amin’ny sakramentan’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana, dia nampiasaina tamin’ny lovantsofina ara-teôlôjia sasany izany mba hanehoana ny “marika” tsy maty vonoina naraikitr’ireo sakramenta telo ireo izay tsy azo averina intsony.

Loharano ôfisialy ↗