Tamin’ireo Teôfania sy Lalàna

Laharana 708 amin’ny Katesizy

Miseho manokana amin’ny fanomezana ny Lalàna, izany fomba fanabeazan’Andriamanitra izany[65]. Nomena ho “mpitaiza sy mpanabe”, mba hitarika ny Vahoaka mankany amin’i Kristy, ny Lalàna[66]. Kanefa noho ny tsy fahampian’ny herin’ny Lalàna hamonjy ny olombelona tsy manana intsony ny “fifanahafana” amin’Andriamanitra sy ny fampahalalany mazava tsara ny fahotana[67], no nampitsiry ny faniriana ny Fanahy Masina. Ny toloko aman-toreo ao amin’ny Salamo no vavolombelona manamarina izany.

Loharano ôfisialy ↗