Ny anaram-piantsoana ny Fanahy Masina

Laharana 692 amin’ny Katesizy

I Jesoa, fony Izy nanambara sy nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, dia niantso Azy hoe “Parakleto”, ara-bakiteny dia hoe : “Ilay voantso ho eo akaiky”, ad-vocatus (Jo14,16.26 ; 15,26 ; 16,7). “Mpisolo vava” no mahazatra andikana ny “Parakleto”, ka i Jesoa no mpisolo vava voalohany[15]. Ny Tenan’Izy Tompo koa dia miantso ny Fanahy Masina  hoe  “Fanahin’ny Fahamarinana” (Jo 16,13).

Loharano ôfisialy ↗