Izaho mino ny Fanahy Masina
Laharana 685 amin’ny Katesizy
Ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, “tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka”[4]. Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. Ny resaka Fanahy Masina eto àry, dia izay mikasika ihany ny “fitantanam-pamonjen’ ”Andriamanitra.