Ny fiandrasana ny Mesia sy ny Fanahiny
Laharana 712 amin’ny Katesizy
Ny toetran’ny endrik’ilay Mesia andrasana dia manomboka miseho ao amin’ny Bokin’i Emanoela[72] (“fony i Izaia nahazo fahitana ny Voninahitr’i” Kristy : Jo 12,41), indrindra ao amin’i Izaia 11,1-2 :
Misy rantsana hipoitra avy amin’ny fototr’i Jese,
ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany :
hitoetra eo Aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin’ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.