Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina

Laharana 695 amin’ny Katesizy

Ny fanosora-menaka. Ny fanosora-menaka dia fanehoana an’ohatra mampibaribary koa ny Fanahy Masina, ka tonga hatramin’ny fitovian’ny hevitra raketiny Aminy mihitsy aza[18]. Amin’ny firosoana ho kristianina, izany no famantarana ara-tsakramentan’ny Fankaherezana, antsoina ara-drariny any amin’ny Fiangonana Tatsinanana hoe “Fanosorana masina” (“Chrismation”). Kanefa mba hahatsapana ny heriny manontolo, tokony hiverenana ilay fanosorana voalohany notanterahin’ny Fanahy Masina : ny an’i Jesoa. Ny Kristy (“Mesia” amin’ny teny hebrio) dia midika hoe “voahosotry” ny Fanahin’Andriamanitra. Nisy ireo “voahosotry” ny Tompo ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha[19], ny ambony dia ambony amin’izany dia i Davida mpanjaka[20]. Kanefa i Jesoa no Ilay voahosotr’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy manam-paharoa : ny maha-olombelona izay zakain’ny Zanaka ao Aminy dia “voahosotry ny Fanahy Masina”manontolo. Natokan’ny Fanahy Masina ho “Kristy” i  Jesoa[21]. Nanana anaka an’i Kristy tamin’ny Fanahy Masina i Maria Virjiny izay nolazain’ny anjely hoe i Kristy amin’ny fotoana hahaterahany[22] ary nanosika an’i Simeôna ho tonga tao an-Tempoly mba hahita ny Kristin’ny Tompo[23]; Izy no nameno an’i Kristy[24] ary ny heriny no nivoaka avy tao amin’i Kristy tamin’ny asam-panasitranany amam-pamonjeny[25]. Farany, Izy no nanangan-ko velona an’i Jesoa tamin’ny maty[26]. Koa noho izany, noho i Jesoa voatokana tanteraka ho “Kristy” ao amin’ny maha-olombelona mpandresy ny fahafatesana Azy[27], dia mandefa ny Fanahy Masina Izy mandra-pahatongan’ny “olomasina” hitambatra ao anatin’ny firaisan’izy ireo amin’ny maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, “ilay Olonalavorary ( …) izay manatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) : “i Kristy manontolo ”, araka ny fomba fitenin’i Md Augustin[28].

Loharano ôfisialy ↗