Ny anaran-tsamirerin’ny Fanahy Masina

Laharana 691 amin’ny Katesizy

“Fanahy Masina”, izany no anaran-tsamirerin’Ilay tsaohintsika sy omentsika voninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo io  anarana io, ary ambarany ampahibemaso ao amin’ny Batemin’ ireo zanany vaovao[13].

Ny teny hoe “Fanahy”  no andikana  ny teny hebrio hoe : Ruah, izay araka ny heviny voalohany, dia midika hoe fofon’aina, rivotra, tsio-drivotra. Nampiasa indrindra ny sary an’ohatra azo tsapain-tanana momba ny rivotra i Jesoa, mba hanome hevitra an’i Nikôdema ny maha zava-baovao mihoatra ny tsapa sy ny hita an’Ilay izay tenan’ny Fofon’Ain’Andriamanitra mihitsy, dia ny Fanahin’Andriamanitra[14]. Etsy an-kilany ny hoe Fanahy sy Masina, dia toetran’Andriamanitra manokana iombonan’ireo Olona Telo-Andriamanitra. Kanefa amin’ny fanakambanana an’ireo teny roa ireo, ny Soratra Masina, ny litorzia ary ny fiteny ara-teôlôjia, dia manondro ny Olona tsy hay ambara amin’ny teny momba ny Fanahy Masina, tsy manana hevi-droa mety hitranga amin’ny fampiasana hafa ny teny hoe “fanahy” sy “masina”.

Loharano ôfisialy ↗