Ny Fanahin’ny fampanantenana
Laharana 705 amin’ny Katesizy
Ny olombelona, simban’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia mbola “mitovy endrika amin’Andriamanitra”, amin’ny endriky ny Zanaka, saingy tsy manana ny Voninahitr’Andriamanitra izy[56], tsy manana ny “fifanahafana”. Ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama no misantatra ny fitantanam-pamonjena, ka amin’ny faran’izany, Izy Zanaka rahateo no hizaka ao Aminy ny “endrik’olombelona”[57], hamerina izany amin’ny “fifanahafana” amin’ny Ray ary hanome ho azy indray ny Voninahitra, dia ny Fanahy “loharanon’ Aina” izany.