← Lohahevitra rehetra

Finoana

Laharana 49

  1. 172 III. Iray ihany ny finoana Ny Fiangonana, hatramin’izay taonjato nifandimby izay, amin’ny alalan’ny fiteny maro, kolontsaina maro, vahoaka ary firenena maro, dia tsy mitsahatra manambara ampahibemaso ny finoany tokana, noraisina tamin’ny Tompo iray, nampitaina tamin’ny Batemy iray, …
  2. 173 III. Iray ihany ny finoana “Satria, ny Fiangonana, na dia miely amin’ny tany tontolo ka tonga hatrany amin’ny fara vazan-tany aza, noho izy nandray ny finoana avy amin’ny apôstôly sy avy amin’ny mpianatr’izy ireo (…), dia mitahiry …
  3. 174 III. Iray ihany ny finoana “Satria, na samy hafa aza ny fiteny manerana ny tany, ny zava-boarakitry ny Lovam-pampianarana dia iray ihany ary mitovy tsy misy valaka. “Ary na ny Fiangonana miorina any Germanie, na ireo izay …
  4. 175 III. Iray ihany ny finoana “Tandremantsika fatratra io finoana izay noraisintsika tamin’ny Fiangonana io, satria noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra, tahaka ny tahiry sarobidy voahidy ao anatin’ny tavoara tsara, dia tsara ny manavao sy manatanora tsy an-kijanona an’ilay …
  5. 176 III. Iray ihany ny finoana Ny finoana dia firaiketan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany. Izany dia miaraka amin’ny firaiketan’ny saina aman-tsitrapo amin’ny Fanambaràna nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo asany sy ireo teniny.
  6. 177 III. Iray ihany ny finoana Misy roa àry ny endrika isehoan’ny “ mino ” : amin’ny olona sy amin’ny fahamarinana ; amin’ny fahamarinana noho ny fitokiana an’ilay olona izay milaza marina an’izany.
  7. 178 III. Iray ihany ny finoana Tsy tokony hino hafa afa-tsy Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina isika.
  8. 179 III. Iray ihany ny finoana Fanomezana mihoatra ny natoraly avy amin’Andriamanitra ny finoana. Mila ny fanampiana anaty avy amin’ny Fanahy Masina ny olona, mba hino.
  9. 180 III. Iray ihany ny finoana Ny “ mino ” dia asan’ny olombelona, mahatsiaro tena sy afaka, izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona.
  10. 181 III. Iray ihany ny finoana Ny “ mino ” dia asan’ny Fiangonana. Ny finoan’ny Fiangonana no mialoha, miteraka, mitondra ary mamelona ny finoantsika. Ny Fiangonana no renin’ny mpino rehetra. “ Tsy misy afaka manana an’ Andriamanitra ho …
  11. 182 III. Iray ihany ny finoana “ Mino izay rehetra raketin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia izay noraketina an-tsoratra na nampitaina am-bava, ary izay atolotry ny Fiangonana hinoana fa nambaran’Andriamanitra ” [196] .
  12. 183 III. Iray ihany ny finoana Ilaina ho amin’ny famonjena ny finoana. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no manamafy izany fa : “ Izay hino ka hatao batemy, dia ho voavonjy ; izay tsy hino, dia hohelohina ” …
  13. 184 III. Iray ihany ny finoana “ Ny finoana dia santatry ny fahalalana izay hahatonga antsika ho sambatra any amin’ny fiainan-ko avy ” [197] .
  14. 1814 Ny finoana Ny finoana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay inoantsika an’ Andriamanitra sy izay rehetra nolazainy sy nambarany tamintsika, ary atolotry ny Fiangonana Masina antsika mba hinoana, satria Izy Andriamanitra ihany no fahamarinana. Amin’ny …
  15. 1815 Ny finoana Mitoetra ao amin’izay tsy manota amin’ny finoana ny fanomezam-pinoana [8] . Kanefa “maty ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2,26) : ny finoana tsy miaraka amin’ny fanantenana sy ny fitiavana, dia tsy mampiray …
  16. 1816 Ny finoana Tsy ny mitana ny finoana sy ny miaina izany ihany no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, fa koa ny manambara izany ampahibemaso, ny mirotsaka ho vavolombelon’izany amin-toky, ary ny mampiely izany : “Tsy …
  17. 2087 Ny finoana Amin’ny finoana an’Andriamanitra izay manambara ny fitiavany tamintsika no ahitan’ny fiainantsika ara-môraly ny loharano ipoirany. Lazain’i Md Paoly fa ny “fanekena ny finoana” (Rôm l,5; l6,26) no adidy aman’andraikitra voalohany. Ampahafantariny fa …
  18. 2088 Ny finoana Ny didy voalohany dia mitaky amintsika ny hamelona sy hiaro amim-pahamalinana sy amim-piambenana ny finoantsika ary hanary izay rehetra mifanohitra amin’izany. Misy karazany samihafa ny fahotana manohitra ny finoana : Ny fisalasalana …
  19. 2089 Ny finoana Ny tsy fetezana hino, izay fanaovana an-tsirambina ny marina nambara na fandavana an-tsitrapo ny hankato izany. “Ny fampianaran-diso momba ny finoana, izay fandavana arahina di-doha, aorian’ny nandraisana ny Batemy, ny fahamarinana izay …