III. Iray ihany ny finoana
Laharana 172 amin’ny Katesizy
Ny Fiangonana, hatramin’izay taonjato nifandimby izay, amin’ny alalan’ny fiteny maro, kolontsaina maro, vahoaka ary firenena maro, dia tsy mitsahatra manambara ampahibemaso ny finoany tokana, noraisina tamin’ny Tompo iray, nampitaina tamin’ny Batemy iray, mifaka ao anatin’ny fiekena tanteraka fa ny olombelona rehetra dia tsy manana afa-tsy Andriamanitra iray sady Ray[190]. I Md Irénée de Lyon, vavolombelon’izany finoana izany, dia manambara hoe :