III. Iray ihany ny finoana

Laharana 173 amin’ny Katesizy

“Satria, ny Fiangonana, na dia miely amin’ny tany tontolo ka tonga hatrany amin’ny fara vazan-tany aza, noho izy nandray ny finoana avy amin’ny apôstôly sy avy amin’ny mpianatr’izy ireo (…), dia mitahiry izany fitoriana izany sy izany finoana izany amim-pitandremana, toy ny hoe tsy mipetraka afa-tsy amin’ny trano iray ihany, mino izany amin’ny fomba mitovy, toy ny hoe tsy manana afa-tsy fanahy iray ihany sy fo iray ihany, ary dia mitory izany, mampianatra izany, miombom-peo amin’ny fampitana izany, toy ny hoe tsy manana afa-tsy vava iray ihany”[191].

Loharano ôfisialy ↗