Ny finoana

Laharana 1816 amin’ny Katesizy

Tsy ny mitana ny finoana sy ny miaina izany ihany no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, fa koa ny manambara izany ampahibemaso, ny mirotsaka ho vavolombelon’izany amin-toky, ary ny mampiely izany : “Tsy maintsy vonona isika rehetra hanambara an’i Kristy eo anatrehan’ny olona rehetra, ary hanaraka Azy eny an-dalan’ny Hazofijaliana sy eo anivon’ny fanenjehana izay tsy hahafaty na oviana na oviana ny Fiangonana”[9]. Ilaina ho amin’ny famonjena ny fanompoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana : “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra ; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 10,32-33).

Loharano ôfisialy ↗