III. Iray ihany ny finoana
Laharana 181 amin’ny Katesizy
Ny “mino” dia asan’ny Fiangonana. Ny finoan’ny Fiangonana no mialoha, miteraka, mitondra ary mamelona ny finoantsika. Ny Fiangonana no renin’ny mpino rehetra. “Tsy misy afaka manana an’ Andriamanitra ho Ray raha tsy manana ny Fiangonana ho reny”[195].