← Lohahevitra rehetra

Fahariana

Laharana 60

  1. 279 Paragrafy 4. Ny Mpahary “Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Jen 1,1). Ireo teny manetriketrika ireo no fiantombohan’ny Soratra Masina. Mamerina an’ireo teny ireo ny Sembolin’ny finoana amin’ny fiekena an’Andriamanitra Ray Mahefa ny …
  2. 280 Paragrafy 4. Ny Mpahary Ny fahariana no fototry “ny fandaharana rehetra momba ny famonjen’ Andriamanitra”, “ny fiandohan’ny tantaram-pamonjena” [119] , izay ao amin’i Kristy no fara tampon’izany. Raha ampifamadihana ny fomba filaza azy, dia hoe : …
  3. 281 Paragrafy 4. Ny Mpahary Izany no mahatonga ny vakiteny rehetra amin’ny Alin’ny Paka, fankalazana ny fahariam-baovao ao amin’i Kristy, atomboka amin’ny tantaran’ny fahariana ; ao amin’ny litorzia bizantinina, io tantaran’ny fahariana io no anisan’ny vakiteny voalohany …
  4. 282 I. Ny katesezy momba ny fahariana Manan-danja lehibe tokoa ny katesezy momba ny fahariana. Ny fototry ny fiainana maha-olona sy ny maha-kristianina mihitsy no voakasiny : satria izany no manazava ny valin’ny finoana kristianina amin’ny fanontaniana tsotra izay …
  5. 283 I. Ny katesezy momba ny fahariana Ny fanontaniana momba ny fiandohan’izao tontolo izao sy ny olombelona dia natao ho fototry ny fikarohana maro be ara-tsiansa izay mampitombo amin’ny fomba kanto dia kanto ny fahalalantsika momba ny taona sy …
  6. 284 I. Ny katesezy momba ny fahariana Ny tombon-tsoa lehibe voatokana amin’ireny fikarohana ireny no mandrisika mafy amin’ny alalan’ny fanontaniana ivelan’ny mahazatra, izay mihoatra ny sehatra manokana amin’ny siansa momba ny zavaboary. Tsy dia ny mahalala fotsiny hoe : …
  7. 285 I. Ny katesezy momba ny fahariana Hatrany am-panombohany, ny finoana kristianina dia nampifanatrehana tamin’ny valin-teny tsy mitovy amin’ny azy mikasika ny fanontaniana momba ny fiandohana. Araka izany, hita ao amin’ireny antokom-pivavahana mbamin’ny kolontsaina fahiny ireny, ny angano maro …
  8. 286 I. Ny katesezy momba ny fahariana Marina fa afa-mahita sahady ny valim-panontaniana momba ny fiandohana ny sain’olombelona. Satria, ny fisian’Andriamanitra Mpahary dia mety ho fantatra tsy amim-pisalasalana amin’ny alalan’ny tsanganasany noho ny fahaizan’ny sain’olombelona [122] , na dia …
  9. 287 I. Ny katesezy momba ny fahariana Ny fahamarinan’ny fahariana dia mavesa-danja tokoa ho an’ny fiainana manontolo ny olombelona, izay sitrak’Andriamanitra, ao anatin’ny halemem-panahiny, ny nanambara tamin’ny Vahoakany izay rehetra mahavonjy amin’ ny fahalalana momba an’io lafin-kevitra io. Ankoatra …
  10. 288 I. Ny katesezy momba ny fahariana Araka izany, ny fanambaràna ny fahariana, dia tsy azo sarahina amin’ny fanambaràna sy ny fahatanterahan’ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra, ilay Tokana, tamin’ny Vahoakany. Ny fahariana dia nambara ho ilay dingana voalohany mankany amin’io fanekem-pihavanana io, …
  11. 289 I. Ny katesezy momba ny fahariana Amin’ny tenin’ny Soratra Masina rehetra momba ny fahariana, dia manana toerana manokana ny toko telo voalohan’ny Jenezy. Raha amin’ny lafiny haisoratra, ireo lahatsoratra ireo dia mety hanana loharano fiaviana samihafa. Ny mpanoratra …
  12. 290 II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina “Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” : zavatra telo no antitranterina amin’ireo teny voalohan’ny Soratra Masina ireo: nasian’Andriamanitra mandrakizay fiandohana ny zavatra rehetra izay misy ivelan’ny Tenany. Izy irery …
  13. 291 II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina “Tamin’ny voalohany ny Teny (…) ary Andriamanitra ny Teny. (…) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ny voary rehetra” (Jo 1,1-3). Ambaran’ny Testamenta Vaovao fa Andriamanitra …
  14. 292 II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina Ny asa faharian’ny Zanaka sy ny Fanahy, iray ihany amin’ny an’ny Ray sy tsy afa-misaraka, izay nisisika tsikelikely tao amin’ny Testamenta Taloha [131] , sy voambara ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia hamafisin’ny …
  15. 293 III. “Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao” Fahamarinana lehibe indrindra no tsy itsaharan’ny Soratra sy ny Lovam-pampianarana mampianatra sy mankalaza hoe : “Noarìna ho Voninahitr’ Andriamanitra izao tontolo izao” [134] . Nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra, hoy i Md …
  16. 294 III. “Noarìna ho Voninahitr’Andriamanitra izao tontolo izao” Ny Voninahitr’Andriamanitra dia ny hahatanteraka io fanehoana sy fampitana ny hatsaram-pony io, izay ho amin’izany no nahariana an’izao tontolo izao. Ny hanao antsika ho “zanaka atsangana amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy : izany no …
  17. 295 Mahary amim-pahendrena sy amim-pitiavana Andriamanitra Mino isika fa noarìn’Andriamanitra araka ny fahendreny izao tontolo izao [140] . Tsy vokatry ny filana tsinontsinona izany, tsy vokatry ny anjara sy lahatra ary vintana jamba, na vokatry ny kisendrasendra. Mino …
  18. 296 Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra Mino isika fa tsy mila na inona na inona efa nisy mialoha na mila fanampiana Andriamanitra mba hahary [141] . Ny fahariana koa tsy hoe fipoiram-pisiana ilain’ny fisia-maha-izy an’Andriamanitra tsy akory [142] …
  19. 297 Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra Ny finoana ny fahariana “avy amin’ny tsy misy” dia nohamarinin’ny Soratra Masina ho fahamarinana feno fampanantenana sy fanantenana. Araka izany no nankaherezin’ilay renim-pianakaviana ny zanany fito mirahalahy ho faty martiry : Tsy …
  20. 298 Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra Satria afaka mahary avy amin’ny tsy misy Andriamanitra, dia afaka koa Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manome aim-panahy ho an’ny mpanota, amin’ny fahariana fo madio tsy misy pentina ao aminy [145] , …
  21. 299 Tontolo mirindra sy tsara no noarìn’Andriamanitra Noho Andriamanitra nahary tamim-pahendrena, dia mirindra ny voary manontolo : “Nalaminao am-patrany, an-drefiny, an’isany ary an-danjany ny zavatra rehetra” (Fah 11,20). Natokana sy miantefa amin’ny olombelona endrik’Andriamanitra [148] ny voary manontolo, dia …
  22. 300 Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary Andriamanitra, nefa eo aminy Lehibe lavitra noho ny tsanganasany rehetra Andriamanitra [152] : “Ambony lavitra noho ny lanitra ny fiandrianany” (Sal 8,2), “tsy misy fetra mihitsy ny fahalehibeazany” (Sal 145,3). Fa satria Izy no Mpahary tsy …
  23. 301 Mampaharitra sy mitondra ny zavaboary Andriamanitra Aorian’ny fahariana, tsy ilaozan’Andriamanitra ho amin’izao fotsiny ny zavaboariny. Tsy ny maha-izy sy ny maha-misy fotsiny no omeny ny zavaboariny, fa ny mampaharitra lalandava ny fisian-tenany, ny manome azy hery manetsika, ary …
  24. 315 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Tamin’ny fahariana an’izao tontolo izao sy ny olombelona no nanehoan’ Andriamanitra ny porofo voalohany sy manenika an’izao tontolo rehetra izao ny fitiavany manan-kery mahefa ny zava-drehetra sy ny fahendreny, ny fanambaràna voalohan’ny …
  25. 316 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Na dia noheverina indrindra ho ny Ray aza no nisahana ny tsanganasa fahariana, dia fahamarinam-pinoana koa fa ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina no foto-piandohana tokana sy tsy azo sarahina …
  26. 317 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Andriamanitra irery no nahary an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, tamin-kalalahana sy mivantana, tsy nisy fanampiana na iray aza.
  27. 318 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Tsy misy zavaboary na iray aza manana fahefana tsy manam-petra izay ilaina mba “ hahary ” araka ny hevi-teny fototry ny teny, izany hoe mahaforona sy mampisy izay tsy nananany mihitsy (miantso …
  28. 319 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra mba haneho sy hampita ny voninahiny. Aoka ny zavaboary handray anjara amin’ny fahamarinany, amin’ny hatsarany ary ny hakantony, izany no voninahitra izay nahatonga an’Andriamanitra ho nahary azy …
  29. 320 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Andriamanitra izay nahary an’izao tontolo izao no mampaharitra azy ao anatin’ny fisiana amin’ny alalan’ny Teniny, dia “ ilay Zanany, izay manohana an’izao tontolo rehetra izao amin’ny teniny mahefa ” (Heb 1,3), sy …
  30. 321 Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy Ny Fitahian’Andriamanitra, dia tsy inona fa ny fandaharana amam-pandaminana izay itondrany amim-pahendrena sy amim-pitiavana ny zavaboary rehetra hatrany amin’ny tanjom-piafaràn’izy ireo.