Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanafintohinan’ny ratsy
Laharana 318 amin’ny Katesizy
Tsy misy zavaboary na iray aza manana fahefana tsy manam-petra izay ilaina mba “hahary” araka ny hevi-teny fototry ny teny, izany hoe mahaforona sy mampisy izay tsy nananany mihitsy (miantso ho amin’ny fisiana “avy amin’ny tsy misy”[175]).