II. Ny fahariana – tsanganasan’ny Trinite Masina
Laharana 292 amin’ny Katesizy
Ny asa faharian’ny Zanaka sy ny Fanahy, iray ihany amin’ny an’ny Ray sy tsy afa-misaraka, izay nisisika tsikelikely tao amin’ny Testamenta Taloha[131], sy voambara ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia hamafisin’ny fitsipi-pinoan’ny Fiangonana mazava tsara : “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana (…) : Izy no Ray, Izy no Andriamanitra, Izy no Mpahary, Izy no Mpamorona, Izy no Mpandamina. Tamin’ny Tenany ihany no nanaovany ny zavatra rehetra, izany hoe tamin’ny Teniny sy tamin’ny Fahendreny”[132], “tamin’ny Zanaka sy ny Fanahy” izay toy ny “tanany”[133]. Koa, tsanganasa iombonan’ny Trinite Masina ny fahariana.