I. Ny katesezy momba ny fahariana

Laharana 287 amin’ny Katesizy

Ny fahamarinan’ny fahariana dia mavesa-danja tokoa ho an’ny fiainana manontolo ny olombelona, izay sitrak’Andriamanitra, ao anatin’ny halemem-panahiny, ny nanambara tamin’ny Vahoakany izay rehetra mahavonjy amin’ ny fahalalana momba an’io lafin-kevitra io. Ankoatra ny fahalalana voa-Janahary izay mety ho azon’ny sain’ny olona rehetra avy amin’ny Mpahary[123], dia nambaran’Andriamanitra tsikelikely tamin’i Israely ny misterin’ny fahariana. Izy izay nifidy ny patriarka, izay namoaka an’i Israely avy tany Ejipta, ary izay nahary azy sy nanabe azy[124], tamin’ny nifidianany an’i Israely, dia nanambara ny Tenany ho ilay izay manana ny vahoaka rehetra eran-tany ho azy, sy ny tany tontolo, sy nanambara ny Tenany ho ilay izay hany “nanao ny lanitra sy ny tany” (Sal 115,15 ; 124,8 ; 134,3).

Loharano ôfisialy ↗