Mahary “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra

Laharana 296 amin’ny Katesizy

Mino isika fa tsy mila na inona na inona efa nisy mialoha na mila  fanampiana Andriamanitra mba hahary[141]. Ny fahariana koa tsy hoe fipoiram-pisiana ilain’ny fisia-maha-izy an’Andriamanitra tsy akory[142].  Mahary an-kalalahana “avy amin’ny tsy misy” Andriamanitra[143] :

Inona no tokony hampitolagaga raha zavatra efa nisy mialoha no nakan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ? Ny olona mpanao asa tanana, raha omena akora iray izy, dia afaka manao izay rehetra tiany hatao amin’izany. Fa ny herin’Andriamanitra kosa dia miseho indrindra rahefa miainga avy amin’ny tsy misy Izy mba hanao izay rehetra tiany hatao[144].

Loharano ôfisialy ↗