Paragrafy 4. Ny Mpahary
Laharana 279 amin’ny Katesizy
“Tamin’ny voalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Jen 1,1). Ireo teny manetriketrika ireo no fiantombohan’ny Soratra Masina. Mamerina an’ireo teny ireo ny Sembolin’ny finoana amin’ny fiekena an’Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra ho “Mpahary ny lanitra sy ny tany”[117], “ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso sy ny tsy hita maso”[118]. Hiresaka momba ny Mpahary izany aloha isika, avy eo ny fahariany, farany ny fahalavoana noho ny fahotana, izay nahatonga an’i Jesoa-Kristy ilay Zanak’Andriamanitra, hanarina antsika.