Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary Andriamanitra, nefa eo aminy
Laharana 300 amin’ny Katesizy
Lehibe lavitra noho ny tsanganasany rehetra Andriamanitra[152] : “Ambony lavitra noho ny lanitra ny fiandrianany” (Sal 8,2), “tsy misy fetra mihitsy ny fahalehibeazany” (Sal 145,3). Fa satria Izy no Mpahary tsy refesi-mandidy sy tsy voafatopatotra, foto-piandohan’izay rehetra misy, dia maninteraka hatrany amin’ny faran’izay lalina indrindra amin’ny zavaboariny rehetra Izy : “Ao Aminy no ananantsika ny fiainana, ny fahafaha-mihetsika ary ny fisiana” (Asa 17,28). Araka ny tenin’i Md Augustin : “Ambony noho ny amboniko indrindra Izy, ary lalina noho ny lalina indrindra”[153].