I. Ny katesezy momba ny fahariana

Laharana 288 amin’ny Katesizy

Araka izany, ny fanambaràna  ny fahariana, dia tsy azo sarahina amin’ny fanambaràna sy ny fahatanterahan’ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra, ilay Tokana, tamin’ny Vahoakany. Ny fahariana dia nambara ho ilay dingana voalohany  mankany amin’io fanekem-pihavanana io, ho porofo voalohany  sy manerana an’izao tontolo izao, maneho ny fitiavana Mahefa ny zavatra rehetra an’Andriamanitra[125]. Koa ny fahamarinan’ny fahariana dia miseho tamin-kery mitombo hatrany tamin’ny hafatry ny mpaminany[126], tamin’ny vavaka Salamo[127] sy litorzia, tamin’ny fandinihana ny fahendren’ny[128] Vahoaka voafidy.

Loharano ôfisialy ↗