Herim-panahy
Laharana 27
- 1803 Ny herim-panahy “Izay rehetra marina, izay rehetra manan-kaja, izay rehetra rariny, izay rehetra madio, izay rehetra mahatehotia, izay rehetra tsara laza, sy izay rehetra misy herim-panahy sy misy dera, no aoka hoheverinareo” (Filip 4,8). …
- 1804 I. Ny herim-panahy maha-olombelona Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, izay miseho amin’ny fihetsika tsy miovaova, amin’ny fahavononana tsy mivadibadika, amin’ny fahatsarana mahazatra, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny …
- 1805 Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra) Misy efatra ny herim-panahy manana anjara asan’ny savily. Avy amin’ izany no antony iantsoana azy ireo hoe “savily”, izany hoe “fototra” ; ny herim-panahy hafa rehetra kosa dia mivondrona manodidina azy ireo. …
- 1806 Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra) Ny fahamalinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza …
- 1807 Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra) Ny fahamarinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’ Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo. Ny fahamarinana atao amin’Andriamanitra dia …
- 1808 Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra) Ny faherezana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara. Izy no manamafy ny fikasana hanohitra ny fakam-panahy sy handresy ny sakana …
- 1809 Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra) Ny fahalalana onony dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mampitony ny fanintonan’ny fahafinaretana sy mampifandanja ny fampiasana ny haren’ny zavaboary. Izy no manamafy orina ny fifehezana ny sitrapo amin’ny tosi-kerim-panentana ao anaty sy …
- 1810 Ny herim-panahy sy ny fahasoavana Ireo herim-panahy maha-olombelona azo tamin’ny fanabeazana, tamin’ny asa natao amin’ny nahim-po ary tamin’ny faharetana niezaka lalandava, dia voadio sy voasandratra ho ambony tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra izy ireny no …
- 1811 Ny herim-panahy sy ny fahasoavana Tsy mora ho an’ny olona voaratran’ny fahotana ny mitana ny filaminan-tsaina. Ny fanomezam-pamonjena avy amin’i Kristy no manome antsika ny fahasoavana ilaina mba hitozoana amin’ny fikatsahana ny herim-panahy. Tokony hangataka lalandava izany …
- 1812 II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ireo herim-panahy maha-olombelona dia miorim-paka ao amin’ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra izay mampifanaraka ny fahaizan’ olombelona mahataka-javatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra [5] . Satria ireo herim-panahy avy amin’ Andriamanitra dia miankina …
- 1813 II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra dia manorina, mandrisika ary mamaritra mazava ny asa amam-pihetsika ara-môraly kristianina. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena. Ireo no ampitain’Andriamanitra ao amin’ny fanahin’ireo mpino …
- 1830 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fiainana ara-môraly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina.
- 1831 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana …
- 1832 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo vokatry ny Fanahy dia fahalavorarian-toetra izay anabeazan’ny Fanahy Masina ao amintsika ho santatry ny voninahitra mandrakizay. Roa ambin’ny folo ireo vokatry ny Fanahy tanisain’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana : “fitiavana, hafaliana, fiadanam-po, fahari-po, …
- 1833 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara.
- 1834 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, tsy mivadibadika, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Azo avondrona ao amin’ny …
- 1835 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fahamalinana no mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany.
- 1836 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina .Ny fahamarinana no ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo.
- 1837 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny faherezana no miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara.
- 1838 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fahalalana onony no mampitony ny fanintonan’ny zava-mahafinaritra sy mahatonga ny fampifandanjana amin’ny fampiasana ny haren’ny zavaboary.
- 1839 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia mitombo amin’ny fanabeazana, amin’ny asa atao an-tsitrapo ary amin’ny faharetana miezaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mandio azy ireny sy manandratra azy ireny.
- 1840 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Ny fiandohany sy ny antony ary ny fotony dia Andriamanitra, Ilay fantatra amin’ny alalan’ny finoana, antenaina sy …
- 1841 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana [25] . Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.
- 1842 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.
- 1843 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.
- 1844 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no “ fehin’ny hatsaram-panahy rehetra ” (Kôl 3,14) …
- 1845 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.