II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Laharana 1812 amin’ny Katesizy
Ireo herim-panahy maha-olombelona dia miorim-paka ao amin’ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra izay mampifanaraka ny fahaizan’ olombelona mahataka-javatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra[5]. Satria ireo herim-panahy avy amin’ Andriamanitra dia miankina mivantana amin’Andriamanitra. Ireo no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Andriamanitra Tokana Olona Telo no fiandohan’ireo, anton’ireo ary fototr’ireo.