III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina

Laharana 1831 amin’ny Katesizy

Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana ny hafenoany[24]. Ireo no mameno sy mandavorary ny herim-panahin’izay mandray an’ireo; ireo no mahatonga ny mpino ho mora mankato amim-pahakingana ny hetsi-panahy ataon’ Andriamanitra.

Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy eo amin’ny tany mitovy tantana (Sal 143,10).

Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’ Andriamanitra (…). Ary  raha zanaka dia mpandova ; sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy (Rôm 8,14.17).

Loharano ôfisialy ↗