Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1841 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana [25] . Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.
  2. 1842 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.
  3. 1843 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.
  4. 1844 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no “ fehin’ny hatsaram-panahy rehetra ” (Kôl 3,14) …
  5. 1845 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.
  6. 1846 I. Ny famindram-po sy ny fahotana Ny Evanjely no fanambaràna, ao amin’i Jesoa-Kristy, ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ny mpanota [26] . Nilaza izany tamin’i Josefa ny anjely hoe : “Hataonao hoe Jesoa no anarany : fa Izy no …
  7. 1847 I. Ny famindram-po sy ny fahotana “Tsy nisy isika no noarìn’Andriamanitra, ary tsy nilainy ny mamonjy antsika raha tsy nisy isika” [27] . Ny fandraisana ny famindram-pony dia mitaky amintsika ny fiekena ny fahadisoantsika : “Raha milaza antsika …
  8. 1848 I. Ny famindram-po sy ny fahotana Nanamafy izany koa i Md Paoly hoe : “ Tao amin’izay naha-betsaka ny fahadisoana no naha-betsaka lavitra ny fahasoavana” (Rôm 5,20). Kanefa mba hanaovan’ny fahasoavana ny tsanganasany, dia tokony mampiharihary ny fahotana …
  9. 1849 II. Ny famaritana ny fahotana Ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny kônsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny …
  10. 1850 II. Ny famaritana ny fahotana Fanalam-baraka an’Andriamanitra ny fahotana : “Taminao dia Taminao irery no nanotako. Izay ratsy eo imasonao no nataoko” (Sal 51,6). Ny fahotana no mitsangan-kanohitra ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy mamily ny fontsika tsy ho …
  11. 1851 II. Ny famaritana ny fahotana Ao anatin’ny fijaliana indrindra, izay andresen’ny famindram-pon’i Kristy ny fahotana, no hanehoan’ny fahotana bebe kokoa ny heriny sy ny hamaroany : tsy finoana, fankahalana mahatonga famonoan’olona, fandavana sy fanesoana nataon’ireo filoha sy …
  12. 1852 III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana Betsaka ny karazana fahotana. Maro ny anarana tanisain’ny Soratra Masina amin’izany. Ny Taratasy ho an’ny mpino tao Galata dia mampifanohitra ny tsanganasan’ny nofo amin’ny vokatry ny Fanahy : “Miharihary tokoa ny asan’ny …
  13. 1853 III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana Azo avahana araka ny votoatiny ny fahotana, tahaka ny asa rehetra ataon’ny olombelona, na araka ny herim-panahy izay mifanohitra aminy, tafahoatra na tsy ampy, na araka ny didy izay toheriny. Azo alahatra …
  14. 1854 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Araka ny halehibeny no tokony hitsaràna ny fahotana. Izay hita sy tsapa momba ny fiavahan’ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika araka ny Soratra Masina ihany [34] , no napetraky ny lovam-pampianaran’ny …
  15. 1855 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Ny fahotana mahafaty no mandrava ny fitiavana ao am-pon’ny olombelona amin’ny fandikana mafy tokoa ny Lalànan’Andriamanitra ; izy no mampihodina ny olombelona hanalavitra an’Andriamanitra, izay tanjom-piafaràny sy hasambarany, amin’ny safidy ho tia …
  16. 1856 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Noho ny famelezan’ny fahotana mahafaty ao amintsika ny foto-pahavelomana izay tsy inona fa ny fitiavana, dia mitaky fanomboham-piainam-baovao avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy fibebahan’ ny fo ao amintsika izany, ka ny fandraisana ny …
  17. 1857 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Mba ilazana ny fahotana hoe mahafaty dia misy fepetra telo tsy misaraka takìna : “Fahotana mahafaty ny fahotana rehetra izay zava-dehibe ny votoatin’ny ratsy atao, ary atao amim-pieritreretana tanteraka sy amim-panahy iniana” …
  18. 1858 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Ny zava-dehibe maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia voalaza mazava amin’ny didy folo araka ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanankarena hoe : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, …
  19. 1859 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Ny maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia mila fahalalana feno sy fanekena tanteraka izany. Ilain’ny maha-fahotana mahafaty koa ny mahafantatra mialoha ny maha-ratsy ilay ho atao, sy ny fanoherany ny Lalànan’Andriamanitra. Mbola …
  20. 1860 IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika Ny tsy fahalalana tsy fidiny hoe fahotana ilay natao dia mety hampihena, na raha tsy izany, mety hanafaka ny mahameloka tamin’ilay fahadisoana lehibe natao. Kanefa na iza na iza dia tsy misy …