III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana

Laharana 1852 amin’ny Katesizy

Betsaka ny karazana fahotana. Maro ny anarana tanisain’ny Soratra Masina amin’izany. Ny Taratasy ho an’ny mpino tao Galata dia mampifanohitra ny tsanganasan’ny nofo amin’ny vokatry ny Fanahy : “Miharihary tokoa ny asan’ny nofo, dia : fijangajangana, fahalotoana, fanaranam-batana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, fisaraham-bazana, fialonana, fiafonafonana, fifandirana, fifandrafiana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fibobohana, filerana, sy ny zavatra toy izany - ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao ireo fahotana ireo dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra” (Gal 5,19-21)[33].

Loharano ôfisialy ↗