IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika

Laharana 1854 amin’ny Katesizy

Araka ny halehibeny no tokony hitsaràna ny fahotana. Izay hita sy tsapa momba ny fiavahan’ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika araka ny Soratra Masina ihany[34], no napetraky ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana ho raikitra. Manamafy izany ny fahalalana azo tamim-pahazaran’ny olombelona.

Loharano ôfisialy ↗