IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Laharana 1859 amin’ny Katesizy
Ny maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia mila fahalalana feno sy fanekena tanteraka izany. Ilain’ny maha-fahotana mahafaty koa ny mahafantatra mialoha ny maha-ratsy ilay ho atao, sy ny fanoherany ny Lalànan’Andriamanitra. Mbola ilainy koa ny fanekena hanao ilay ratsy amin’ny nahim-po tanteraka, mba hanjary ho safidin’ny tena manokana izany. Ny fihamboana ho tsy mahalala sy ny hamafin’ny fo[37] dia tsy mampihena fa mampitombo ny toetran’ny finiavana hanao ilay ratsy.