Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2638
IV. Ny vavaka fisaorana
Toy ny amin’ny vavaka fangatahana, mety hanjary fanati-pisaorana avokoa ny zava-miseho rehetra sy ny filana rehetra. Manomboka sy mifarana matetika amin’ny fisaorana ny taratasin’i Md Paoly, ary ao amin’izany lalandava i Jesoa …
→
-
2639
V. Ny vavaka fiderana
Ny fiderana no endri-bavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an’ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, any ambadik’izay ataon’Izy Andria-manitra, satria IZY NO …
→
-
2640
V. Ny vavaka fiderana
Nolazain’i Md Lioka matetika ao amin’ny Evanjeliny ny figagana sy ny fiderana manoloana ny zava-mahagaga nataon’i Kristy, ary nomarihiny koa ao amin’ny Asan’ny apôstôly fa asan’ny Fanahy Masina ireny : ny ankohonam-piangonana …
→
-
2641
V. Ny vavaka fiderana
“Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19) [128] . Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny …
→
-
2642
V. Ny vavaka fiderana
Ny Fanambaràna “avy amin’izay tsy maintsy ho tonga ato ho ato”, ny Apôkalipsa, dia aseho amin’ny tonon-kiran’ny litorzian’ny lanitra [131] , nefa koa amin’ny alalan’ny fitalahoan’ireo “vavolombelona” (martiry) [132] . Ny mpaminany …
→
-
2643
V. Ny vavaka fiderana
Ny Eokaristia no mirakitra sy maneho ny endrika rehetra amin’ny vavaka : izy no “fanatitra madio tsy misy fahony ” ny Vatan’i Kristy manontolo ho voninahitry ny anarany [136] ; izy no …
→
-
2644
V. Ny vavaka fiderana
Ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiahy azy izay rehetra nolazain’i Jesoa, dia manabe azy koa amin’ny fiainam-bavaka, amin’ny famoahana fomba fiteny izay mihavao eo anivon’ny fomba fanao maharitra : …
→
-
2645
V. Ny vavaka fiderana
Satria Andriamanitra no mitsodrano ny fon’ny olombelona, dia afaka misaotra Azy izay loharanon’ny tsodrano rehetra koa ny fon’ny olombelona.
→
-
2646
V. Ny vavaka fiderana
Ny fototry ny vavaka fangatahana dia ny famelan-keloka sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, tahaka izany koa izay rehetra tena ilaina.
→
-
2647
V. Ny vavaka fiderana
Ny vavaka fitalahoana dia miompana amin’ny fangatahana ny soa ho an’ny hafa. Tsy misy fetrany manasaraka izany ary mipaka hatrany amin’ireo fahavalo.
→
-
2648
V. Ny vavaka fiderana
Ny hafaliana rehetra mbamin’ny fijaliana rehetra, ny zava-miseho rehetra mbamin’ny zavatra rehetra ilaina, dia azo anaovana fisaorana avokoa izay tokony hanenika ny fiainana manontolo, amin’ny fandraisana anjara amin’ ny fisaoran’i Kristy. “ …
→
-
2649
V. Ny vavaka fiderana
Ny vavaka fiderana, tsy ikendrena tombon-tsoa ho an’ny tena avokoa, fa miantefa amin’Andriamanitra ; ihiràna Azy izany mba ho Azy, anomezana voninahitra Azy izany, mihoatra noho izay ataony, satria IZY NO IZY.
→
-
2650
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana
Ny vavaka dia tsy azo fintinina amin’ny fiboiboika mipoitra ho azy avy amin’ny tosi-kerim-pamporisika ao anaty : mba hivavaka, ilaina ny finiavana hanao izany. Tsy ampy fotsiny koa ny mahalala izay ambaran’ny …
→
-
2651
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, …
→
-
2652
Ny loharanon’ny fivavahana
Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay [3] , ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i …
→
-
2653
Ny Tenin’Andriamanitra
Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka …
→
-
2654
Ny Tenin’Andriamanitra
Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo …
→
-
2655
Ny litorzian’ny Fiangonana
Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray …
→
-
2656
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana : amin’ny varavarana ety ny finoana . Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, …
→
-
2657
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana . Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy …
→