V. Ny vavaka fiderana
Laharana 2641 amin’ny Katesizy
“Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19)[128]. Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany, amin’ny fihirana ao amin’izany ny misterin’i Kristy. Izy ireo dia namorona koa, tamin’ny zava-baovao nentin’ny Fanahy, antsa aman-tonon-kira miainga avy amin’ny Zava-miseho mahatalanjona izay notanterahin’Andriamanitra tao amin-Janany : ny Fahatongavany ho nofo, ny fahafatesany nandresy ny fahafatesana, ny Fitsanganany ho velona sy ny Fiakarany any an-danitra eo an-kavanan’ny Ray[129]. Avy amin’izany “zava-mahagagan’ ”ny fitantanam-pamonjena manontolo izany no isondrotan’ny tenim-boninahitra, ny fiderana an’Andriamanitra[130].