V. Ny vavaka fiderana

Laharana 2640 amin’ny Katesizy

Nolazain’i Md Lioka matetika ao amin’ny Evanjeliny ny figagana sy ny fiderana manoloana ny zava-mahagaga nataon’i Kristy, ary nomarihiny koa  ao amin’ny Asan’ny apôstôly fa asan’ny Fanahy Masina ireny : ny ankohonam-piangonana tao Jerosalema[125], ilay lehilahy malemy  tongotra nositranin’i Piera sy Joany[126], ny vahoaka be dia be izay nanome voninahitra an’Andriamanitra ny amin’izany[127], ny jentily tao Pisidia izay, “faly aok’izany, nankalaza ny Tenin’ny Tompo” (Asa 13,48).

Loharano ôfisialy ↗