Ny Tenin’Andriamanitra
Laharana 2653 amin’ny Katesizy
Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka dia tokony hiaraka amin’ny famakiana ny Soratra masina mba hirindran’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, satria "Aminy no ivantanantsika rahefa mivavaka isika, ary Izy no henointsika rahefa mamaky ny teny marin’ny Tompo isika"[4]”.