Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1831
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana …
→
-
1832
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ireo vokatry ny Fanahy dia fahalavorarian-toetra izay anabeazan’ny Fanahy Masina ao amintsika ho santatry ny voninahitra mandrakizay. Roa ambin’ny folo ireo vokatry ny Fanahy tanisain’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana : “fitiavana, hafaliana, fiadanam-po, fahari-po, …
→
-
1833
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara.
→
-
1834
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, tsy mivadibadika, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Azo avondrona ao amin’ny …
→
-
1835
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny fahamalinana no mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany.
→
-
1836
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
.Ny fahamarinana no ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo.
→
-
1837
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny faherezana no miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara.
→
-
1838
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny fahalalana onony no mampitony ny fanintonan’ny zava-mahafinaritra sy mahatonga ny fampifandanjana amin’ny fampiasana ny haren’ny zavaboary.
→
-
1839
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia mitombo amin’ny fanabeazana, amin’ny asa atao an-tsitrapo ary amin’ny faharetana miezaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mandio azy ireny sy manandratra azy ireny.
→
-
1840
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Ny fiandohany sy ny antony ary ny fotony dia Andriamanitra, Ilay fantatra amin’ny alalan’ny finoana, antenaina sy …
→
-
1841
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana [25] . Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.
→
-
1842
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.
→
-
1843
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.
→
-
1844
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no “ fehin’ny hatsaram-panahy rehetra ” (Kôl 3,14) …
→
-
1845
III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.
→
-
1846
I. Ny famindram-po sy ny fahotana
Ny Evanjely no fanambaràna, ao amin’i Jesoa-Kristy, ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ny mpanota [26] . Nilaza izany tamin’i Josefa ny anjely hoe : “Hataonao hoe Jesoa no anarany : fa Izy no …
→
-
1847
I. Ny famindram-po sy ny fahotana
“Tsy nisy isika no noarìn’Andriamanitra, ary tsy nilainy ny mamonjy antsika raha tsy nisy isika” [27] . Ny fandraisana ny famindram-pony dia mitaky amintsika ny fiekena ny fahadisoantsika : “Raha milaza antsika …
→
-
1848
I. Ny famindram-po sy ny fahotana
Nanamafy izany koa i Md Paoly hoe : “ Tao amin’izay naha-betsaka ny fahadisoana no naha-betsaka lavitra ny fahasoavana” (Rôm 5,20). Kanefa mba hanaovan’ny fahasoavana ny tsanganasany, dia tokony mampiharihary ny fahotana …
→
-
1849
II. Ny famaritana ny fahotana
Ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny kônsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny …
→
-
1850
II. Ny famaritana ny fahotana
Fanalam-baraka an’Andriamanitra ny fahotana : “Taminao dia Taminao irery no nanotako. Izay ratsy eo imasonao no nataoko” (Sal 51,6). Ny fahotana no mitsangan-kanohitra ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy mamily ny fontsika tsy ho …
→