Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2111
Ny finoanoam-poana
Ny finoanoam-poana dia fivaonan’ny fiheverana momba ny fivavahana sy ny fahazotoa-mivavaka didiany hatao. Mety hahavoa koa ny fanompoam-pivavahana ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina izany, ohatra, rahefa heverin’ny olona ho toy ny hery mazika …
→
-
2112
Ny fanompoan-tsampy
Melohin’ny didy voalohany ny finoana an’andriamanitra maro . Takìny mba tsy hino andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra ny olona, mba tsy hanasina andriamanitra tsy izy hafa afa-tsy ilay Tokana. Ny Soratra Masina dia …
→
-
2113
Ny fanompoan-tsampy
Tsy mikasika fotsiny ny fanompoam-pivavahana diso ataon’ny mpanompo sampy ny fanompoan-tsampy. Mijanona ho fakam-panahy lalandava amin’ ny finoana izy. Mifototra amin’ny fanaovana ho Andriamanitra an’izay tsy Andriamanitra izy. Misy ny fanompoan-tsampy manomboka …
→
-
2114
Ny fanompoan-tsampy
Mikambana amin’ny fitsaohana an’ilay Tokana ny fiainan’ny olombelona. Ny didy mba hitsaoka ny Tompo tokana dia mahatsotra ny olona sy miaro azy amin’ny fiparitahana tsy misy farany. Faharatsiana manimba ny filan’ ny …
→
-
2115
Sikidy amam-panandroana sy mazia
Afaka manambara ny hoavy amin’ny mpaminaniny na amin’ny olomasina hafa Andriamanitra. Kanefa ny toetra kristianina marina dia ny mametraka ny fitokiana ny ho avy eo ambany Fitahian’ Andriamanitra, ka miala amin’ ny …
→
-
2116
Sikidy amam-panandroana sy mazia
Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany : fangataham-bonjy amin’i Satàna na amin’ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho “mahalala” ny …
→
-
2117
Sikidy amam-panandroana sy mazia
Ny fomba amam-pihetsika rehetra fanaovana mazia na famosaviana , izay amin’ny alalan’ireny no hihamboan’ny olona hamolahany ny hery miafina mba hampiasany azy ireny sy hahazoany fahefana mihoatra ny herin’ olombelona eo amin’ny …
→
-
2118
Ny faniratsiram-pivavahana
Manameloka ny fahotana fototry ny faniratsiram-pivavahana ny didy voalohany : ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy ary ny simônia.
→
-
2119
Ny faniratsiram-pivavahana
Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, dia ny fitsapan-toetra ny hatsaram-pony sy ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny teny na amin’ ny atao. Tahaka izany no nirìn’i Satàna ho azo avy amin’i Jesoa …
→
-
2120
Ny faniratsiram-pivavahana
Ny sakrilezy dia ny mametaveta na ny mandray tsy amim-pahamendrehana ny sakramenta sy ny asa litorzika hafa rehetra, tahaka izany koa ny olona, ny zavatra ary ny toerana natokana ho an’ Andriamanitra. …
→
-
2121
Ny faniratsiram-pivavahana
Ny hoe simônia [48] dia fivarotana na fividianana zavatra ara-panahy. Tamin’ i Simôna mpanao mazia, izay naniry hividy ny fahefana ara-panahy hitany tamin’ny asa nataon’ireo apôstôly, dia novalian’i Piera hoe : “Vereza …
→
-
2122
Ny faniratsiram-pivavahana
“Ivelan’ny tolotra nofaritan’ny mpitondra manapaka izany, ny mpandraharaha masina dia tsy hangataka na inona na inona ho amin’ny fitantanan-draharaha momba ny sakramenta, amin’ny fiahiana lalandava mba tsy noho ny tsy fananan’ireo olo-mahantra …
→
-
2123
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
“Betsaka amin’ny mpiara-belona amintsika no tsy mahatsapa velively na manohitra an-kitsirano tsotr’izao ny fifandraisana am-po lalina sy lehibe indrindra izay mampiray ny olombelona amin’Andriamanitra, hany ka ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra no …
→
-
2124
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
Maro samihafa tokoa ny fisehon’ny endri-javatra mikasika ny antsoina hoe tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. Ny endrika miseho matetika amin’izany dia ny firehan-kevitry ny mpifikitra amin’ny ara-batana izay mametra ny filany sy ny …
→
-
2125
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny herim-panahy enti-mivavaka [55] . Mety hihena be dia be arakaraka ny fikasana sy ny fisehon-javatra ny …
→
-
2126
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia matetika miorina amin’ny fisainana diso momba ny fahazakan-tenan’ny olombelona irery, izay tonga hatramin’ny fandavana ny fiankinana rehetra amin’ Andriamanitra [57] . Kanefa, “tsy manohitra velively ny …
→
-
2127
Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra
Endrika maro no isehoan’ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra. Amin’ny sehon-javatra sasany, tsy mandà an’Andriamanitra ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra ; mifanohitra amin’izany aza ny tadiaviny, dia ny fisian’ny olona iray mihoatra ny tsapa sy …
→
-
2128
Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra
Indraindray ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra dia mety hirakitra fikatsahana an’Andriamanitra ihany, nefa koa mety hampiseho ny tsy firaharahana Azy, ny fihodivirana manoloana ny fanontaniana saro-baliana momba ny fisiany, ary ny fahalainan’ny kônsiansy môraly. …
→
-
2129
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Mandrara ny fanehoana rehetra an-tsary an’Andriamanitra ataon’ny tanan’ olombelona, ny didy avy Aminy. Manazava ny Deterônômy hoe: “Satria tsy nahita endrika velively ianareo, tamin’ny andro nitenenan’ny Tompo taminareo, tany Hôreba, teo afovoan’ny …
→
-
2130
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Kanefa, hatramin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra no nandidy na nanome lalana ny famoronana sary izay hitarika amim-panehoana an’ ohatra ho amin’ny famonjen’ny Teny tonga nofo : tahaka izany ny bibilava varahina [60] , …
→