Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
Laharana 2126 amin’ny Katesizy
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia matetika miorina amin’ny fisainana diso momba ny fahazakan-tenan’ny olombelona irery, izay tonga hatramin’ny fandavana ny fiankinana rehetra amin’ Andriamanitra[57]. Kanefa, “tsy manohitra velively ny fahamendrehan’ny olombelona ny fanekena an’Andriamanitra, satria ao amin’ Andriamanitra rahateo no misy an’io fahamendrehana io, ary Izy no manorina izany sy manatanteraka izany”[58]. Fantatry ny Fiangonana “fa mifanaraka amin’ny tsiambaratelo miafina ao am-pon’ny olombelona ny hafatra entiny”[59].